Raha misy olona ao @ Kristy dia olom-baovao izy...

Publié le par midera

Faly be aho omaly raha naharay antso an-tarobia avy any amin'ny namana iray any Frantsa , nilaza ny famangian'i Tompo sy ny Fanahy masina azy.Tsapako mihintsy amin'ny fomba firesany sy ny zavatra nolazainy fa tena nikasika ny fony ny Fanahy ary nahatsapa fifaliana lehibe izy noho izany.
Izany mihintsy ilay firedaredan'ny fitiavana voalohany, tsy hain'ny vava ho lazaina satria fahatsapana vaovao mbola tsy niainana.Azoko antsaina mihintsy ny fifaliana any an-danitra any ny amin'ny fanapahan-kevitra noraisin'ity namana ity, '' fifaliana lehibe any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka''.
izaho manokana dia faly be mihintsy , faly aho satria nandray ny famonjena izy, faly aho satria  manaporofo izany fa tsy omaly ihany Andriamanitra no niasa sy namangy fanahin'olona fa androany sy mandrakizay dia tsy miova Izy ary tsy misy tiany ho very na dia fanahy iray akory aza.
izany no mampahery ahy hoe, na dia mbola maro izao ireo havako sy olona akaiky ahy tsy mbola nadray an'i Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany dia inoako fa toy izay nataony tamin'ity namako ity dia mbola afaka hiasa ao ampon'ireo tsirairay avy koa Izy.Satria samy sarobidy aminy ny fanahin'olombelona rehetra.
Ny vavako asandratro isan'andro dia ny mba amindran'i Jesosy fo an'ireo havako sy namako ireo, mba hanirahany ny Fanahiny hikasika ny fony koa, hampibebaka azy, sy handraisany any Jesosy, hanandramany koa izany hatsaran'i Tompo izany , raha nanandrana ny hatsarany aho dia tena mamy tao am-bavako izany ka tsy tiako avotsotra intsony  mandrakizay,  ka mba tiako koa ny olona rehetra samy hahatsapa izany.... tsy misy teny mahalaza ny fahatsarany , Azy irery ihany ny dera sy ny voninahitra mandrakizay !!!
Misaotra indrindra Tompo ny amin'ireo fanahy rehetra izay efa nandray anao, tehirizo izy ireo haharitra hatramin'ny farany, mba amin-pifaliana lehibe no hiarahanay zanakao rehetra hifampitantana hitsena Anao amin'ny fotoana hiverenanao !!!

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article