Fety be any an-danitra!!!

Publié le par midera

Nisy laha-tsoratra fohy nosoratako momba ny namako iray any Frantsa vao avy nandray any Jesosy ho Tompo sy Mpamonjy ny tenany. Akory ny hafalaiko omaly raha niantso ahy izy fa avy hatrany izy dia  nanapa-kevitra hatao batisa ary dia vita soa aman-tsara izany ny alahady teo.Aleloia !!!
nanganohano ny masoko, feno fifaliana ny foko, tsy hitako izay ho lazaina , te hidera an'Andriamanitra fotsiny aho hoe : tsara Hianao Jesosy! faly be aho fa nandray ny famonjena ny namako, faly be aho satria lasa olom-baovao izy .Fotoana fohy no tena nifankahalalako taminio namako io fa nahalalako zavatra betsaka momba azy izany fotoana fohy izany.Tena variana aho ny @ lalana nitondrany Tompo azy, 4 volana izay no tena nanomboka nifaneraseranay , fa 2 herinandro fotsiny no nikasihany Tompo ny fony dia nanapa-kevitra tanteraka izy hiala @ fiainany taloha rehetra , fa hanolotra ny fiainany ho avy kosa ho any Jesosy.
Variana sy tsy mino aho indraindray satria raha ny nahalalako azy taloha dia olona manana ny maha izy azy, tsy manaiky lembenana izany ,manana ny heviny manokana ....
Fa rehefa ny Tompo no mikasika sy miantso, iza no tsy ho tohina? mahakasika fo loatra ilay fitiavana tsara indrindra ananany sy ikasihany ny fon'ny olona, ka na mafy fo toy ny inona aza hianao, afaka mampalemy izany ho tena fo nofo Izy.
Mino aho fa toy ny niantsoany ahy, toy ny niantsoany koa ity namako ity, dia mbola hiantso olona maro @ fomba tsy takatry ny saiko hatrany ny Tompo, ho an'ireo namako hafa rehetra mbola tsy nandray, ireo havako, na ny maro hafa koa mbola tsy nahatsapa ity hatsarany Tompo ity, satria tsy misy fanahy tiany ho very na dia iray akory aza, sarobidy aminy ny fanahy tsirairay.
Ho anao izay efa nandray kosa, dia tano mafy izay anananao mba tsy hisy haka ny satro-boninahitrao, miambena mandrakariva, ataovy mitohy 24h/ 24h ny fifandraisanao aminy , mba tsy hisy irika hidirany devoly hanimbana anao ny fiainanao.
TONGAVA SOA DAHOLO E!bible2.gif

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
D
TSARA NY TOMPO " haleloia" . marina tokoa fa tena mahay manova ny fon'ny olona tokoa Jesosy na mafy toy ny inona aza izany. ISAORAKO MANOKANA NY TOMPO tamin'ny soa marobe azy nataony tamiko fa za de anisan'ny tena mafy fo eny na de efa nahita ny asan'ny tompo mahagaga aza toa tsapako tamin'izany fa tsy ho haiko na ovina na ovina mihitsy izany hanompo azy izany ka de nanamafy ny saiko aho , nanao ny tsy fanao . Voninahitra anefa ho an'i Jesosy fa taty aoriana dia namangy ahy tamin'ny fomba mahagaga ny tompo satria indray Alahady ra ty za tao am-pengonana dia natsapa fa tena nisy hery nanosika mba hanolontena ho an'i TOMPO , tsaroako tokoa fa tsy vitany heriko mihitsy izany hanolontena ho an'i tompo zany satria efa voapepon'ny devoly loatra ny saiko. Nefa tamin'izany de tsapako fa nataon'ny fanahy masina tsy tafandrimandry aho teo ampitoerana ra nihaino ny antson'ny pasitera hoe :" manontona eto amin'ny pilipitra izay mangetaheta hovonjena fa anio no fotoana mety hamojena anao " tamin'izany dia niezaka mafy tokoa za nampigina ny eritreritro fa tena vao mainka nanenjika mafy ahy ny lohako(vokatry ny asan'ny fanahy masina tamiko) ka hany heriko tamin'izany dia ny niteny tamin'ny tompo tao antsaiko hoe :" ra sitrakao marina ry tompo ny havoavonjy ahy dia avelao aho hitsangana hanolontena satria tsy vitako izany" tampoka teo anefa ra ty hanomboka hivavaka ho an'ireo izay nanolontena sy nitsangana teo amin'ny pilipitra ny mpanompon'Andriamanitra dia tafatsangana aho eny na dia za aza ny farany taminay izay rehetra nanolon-tena ho an'ny tompo, ra lazaina izany dia io no fotoana farany hanararaotako mba hamonjeny tompo ahy ao anaty famatoran'ny devoly mba tsy ho ringana aho . ka ho very any amin'ny helo .TSAPAKO TOKOA ANKEHITRINY FA TENA TIA NY TOMPO TSY NAMELA AHY HO TAFANDRIMANDRY NY AMINY MBA HANDRAISAKO NY FAMONJENA. TSAPAKO ANKEHITRINY FA VOAVONJY TOKOA AHO RA NANAIKY NY HOVONJEN'NY TOMPO SY NANAIKY HIALA AMIN'NY FAHOTAKO ARY HANDRAY AZY HO MPAMONJY NY TENAKO MANOKANA.<br /> Herinandro vitsy lasa izay no namonjen'ny tompo (nanaovako batisa ),izao dia tsapako fa tena nanova ahy tokoa ny tompo ary mahatsapa ny fanahy masina eo amin'ny fiainako aho eny na dia mbola zaza ara_panahy aza aho. HALELOIA
Répondre