Hameno ny vavako, ny foko , ny saiko mandrakariva Hianao!

Publié le par midera

Hidera anao mandrakariva aho raha mbola velona koa, fa tsara tamiko hianao, fa sarobidy no nividiananao ahy ,fa lehibe loatra Hianao,  fa tsy takatry ny saiko ny fitiavanao ahy...
Taiza no lavaka mangitsokitsoka nisintonanao ahy? raha mandinika izany aho dia mangorakoraka ny fanahiko , ary torotoro ny foko hoe toy izao aho mety efa maty tao anatin'ny fahotako raha tsy nisintona ahy tamin'ny tadim-pitiavanao Hianao.
Misaotra Raiko, misaotra  Mpanjakako , misaotra Mpamonjiko, Mpanavotra ahy.... Amen

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article