Azoko antoka anefa na eo aza izany rehetra izany fa miaraka amiko ny Tompoko, ato anatiko Izy ary manjaka eo amin'ny fiainako, ampy ahy ny fisiany , ampy hifaliako sy mampiadana ahy ny fitoerany eo amiko.
Tsy te hanontany akory aho hoe , inona re no anton'izao, ny hany fantatro dia izao velona ny Andriamanitro! ary eo an-tanany ny zavatra rehetra.
Faly be aho omaly raha nahazo antso an-tarobia avy any amin'ny namako iray , faly be aho satria noporofoin'i Tompo tamiko indray fa Andriamanitra miahy ny zanany rehetra Izy, ary tena tsy azo faritana sy sarom-pantarina ny fomba fiasany amin'ny olony, te hikiaka mafy aho hoe aleloia! nitombo ny finoako ary faly be aho satria tsapako tamin'ny resaka nifanaovanay fa nomen'i Jesosy aina vaovao ilay namako, nomeny fanantenana velona .....raha efa tao anatin'ny famoizam-po tokoa fotoana vitsy lasa izay. Tsara hianao Jesosy!
Tena adinoko daholo ny manavesatra ahy rehetra naheno izany aho, faly tena faly aho, izao vao tena tsapako fa ny fifaliako sy ny tena antom-pisiako ambony indrindra dia ny fahafantarako fa manana ny Tompo ny tiako rehetra (havako, namako) ......tsy misy dikany ny olana rehetra eo @ fiainana rehefa eo Jesosy , rehefa mijery ny voninahiny sy ny fahalebiazany.
Raha mbola tsy nanandrana hianao , dia manasa anao amim-pitiavana be aho hanandrana fa mamy ,tsara , kanto , tsy misy teny mahalaza ny fahatsaranio Jesosintsika io. Tsy hanenenanao!
Mba faly aho raha tsapanao izany zavatra tsapako izany, mba tiako koa raha tiako ny hanananao fiadanam-po, tsy fiadanana mandalo toy ny fanomen'izao hita rehetra izao, fa fiadanana maharitra mandrakizay!
Tena tian'i Jesosy anie hianao io e!
Ecrire un commentaire - Voir les 4 commentaires - Recommander