Aza avela hahalala, aza avela hanontany

Publié le par midera

Aza avela hahalala 
Ny antony nanaovanao
Ny hariva mamanala
Na ireo maraina vao 

Tsy ho takatry ny saiko,
Izay rehetra lahatrao,
Ny angatahiko ry Raiko ,
AOKA AHO HATOKY ANAO

Aza avela hanontany
Ny hafaliana atolotrao
Na ny anton'ny tomany
Efa hitako hatrizao

Aza avelanao hanefy
Ny ampitso izay anao
Aza avelanao handrefy
Izay ho fitantananao

Andriamanitra ô! mandalo lalan-tsarotra ny zanakao, vonton'alahelo, tsy miafina aminao ny antony rehetra.... Aza avela hahalala , aza avela akory hanontany, aza avela hamisavisa..... avelao fotsiny hatoky Anao!
Izay mety ho ampitso, tsy haiko ho fantarina , fa Hianao ilay mihazona ny ampitsoko, no mihazona ahy koa...
Na ho mafy Jesosy ô, na ho sarotra, ny lalana izay mbola ho lalovako ,raha mbola eo Hianao, dia hanohy ny diako hatrany aho , tsy hitsahatra aho raha tsy tonga eny aminao!
Hianao Jesosy no anton'ny fisiako, no anton'ny fifaliako ,no anton'ny fahavelomako, ampy ho ahy sy ny ANKOHONAKO ny IRAY TAMPOHO amiko, sy ny RAY AMAN_DRENIKO, sy ny MANODIDINA AHY REHETRA NY FAHASOAVANAO ! AMEN


Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article