Mama, hafa amin'ny reny rehetra

Publié le par midera

Tiako dia tiako hianao mama.Rehefa mieritreritra ny lasako rehetra aho , dia feno fisaorana sy fankasitrahana anao ny foko.Isaorako ny Tompoko nanome ahy anao.Tsaroako daholo ny f8-mois.JPGotoana rehetra niarahako taminao, fotoana mamy tsy hay adinoina mandrakizay.Mbola tsy tsaroako tamin'ny androm-piainako ny fotoana nananako olana taminao na tsy nankasitrahako anao, fa ny minitra sy ny segaondra rehetra nolalovako niaraka taminao dia andro feno fifaliana sy fitiavana.Raha azoko no niangavy an'Ilay Ray Tsitoha hoe mba ajanony amiko foana hianao mandritra ny androm-piainako dia nataoko izany, fa izay moa ny lalanan'ny fiainana, tsy maintsy sarahin'ny toerana sy ny elanelan-tany,Fa na izany aza , dia mahatsiaro anao isanandro aho, tsy misy andro iray tsy hahatsiarovako anao sy ny fitiavanao feno...
Tena nahatsapa mihintsy aho hoe nihanta sy voarakotra fitiavana avy taminao.tsy misy azoko kianina ny nitaizanao sy ny nitondranao ahy, tena tsampako ho nanao mihoatra lavitra ny tokony ho vitanao mihintsy hianao, tsy nitandro hasasarana fa nanao ny ainao tsy ho zavatra.
mino mihintsy aho fa vitsy ny reny nahavita izay vitanao izay, izaho manokana aloha, mba efa reny koa aho izao fa mbola ela vao hahavita toy ireny nataonao ireny, fa na izany aza , hianao no ataoko fianarana , hitaizako koa ny zanako.Fa raha mahavita toy ireny vitanao ireny aho amin'ny zanako dia inoako fa ho sambatra indrindra ny zanako!
Sambatra be mihintsy aho manana anao, ho lava andro iainana anie hianao, mba hahafahanay zanakao mbola mifaly amin'izay fitiavanao izay.
Misaotra indrindra ry mama tamin'ny vitanao rehetra , Andriamanitry ny fiadanana anie hamaly soa anao, handrotraka ny fitahiany manana amby ampy ho anao amin'ny androm-piainanao rehetra.

Publicité
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article