mihalehibe aho!
2 taona sy iray volana izao i Amboara kely.Hatramin'izay nahaterahany dia nanohy nanome nono azy hatrany aho.Ny antony dia hitako fa tsara ho an'ny zaza ny ampy nono hoan'ny fahasalamany sy fitomboany ary indrindra koa ny firaisam-pony amiko.Izao anefa efa manomboka lehibe ihany izy ka manomboka tapa-kevitra izahay mivady hampisaraka azy.Mba ho lehibe amin'izay izy ary mba hanomboka hizatra hisotro ronono tsotra izay tena tsy tiany mihintsy hatramin'izay.Tsy dia tianay loatra ny hanao ny fanasarahana ho tampoka loatra aminy fa dia atao mian-dalana mba tsy dia hampisy fiantraikany be eo aminy.3 andro izay no nanadramako tsy nanomezana nono azy intsony alohan'ny hatory, na dia somary nila vaniny ihany aza izy tamin'ny voalohany, omaly dia efa nanomboka tsy dia naninona.Ary ny tena vaovao lehibe indrindra dia , tsy nifoha intsony izy raha tsy tamin'ny 9 ora maraina.Izany hoe hatramin'ny niterahako azy , izay aho vao hoe natory tsy nifoha nampinono mandram-paraina ny andro.Hoatrany hafahafa indray rehefa zatra nifoha foana....
mandritra ny tontolon'ny andro efa tsy mangataka nonointsony izy, izany hoe iny mifoha maraina iny sisa no tena mbola tsy tantiny, fa inoako fa ho zatra tsy ho ela.
na izaho aza malahelo ihany ny hampisaraka azy fa , tsy maintsy amin'izay angamba raha maniry ny hanome zandriny azy amin'izay , sy maniry ny mba handefa azy any amin'ny mpiambina amn'izay.
isaorako ny Tompo ny fitomboany sy ny fahasalamany hatramin'izay, ny ampitso sy ny ho avy rehetra koa dia efa apetra Aminy, Izy ihany no afaka hiahy azy, fa na dia reniny aza aho, betsaka ny zavatra tsy vitako sy tsy ao anatin'ny fahalalako.Zanany izy fa izaho dia fitaovana sy mpindrana ihany, fa Izy Tompo no tena Rainy sy nanao azy.
Misaotra Tompo ny nanomezanao ahy an'i Amboara kely, mameno ny fifaliako ny fisiany.Amen
Publicité