Sambatra izay maty ao amin'i Tompo!

Publié le par midera

filazana-manjo.jpgVahotra ny lela, feno ny fo, maizina avokoa izay jerena rehetra rehefa miatrika fisarahana amin'ny havan-tiana toy izao.Maro ny fanontaniana mety mipetraka ao an-tsaina, inona ary no anton'izao? manana ny lalany ny TOmpo, manana ny fandaharany, tsara ny fitondrany ny zanany, ka na dia toa mideza sy sarotra aza dia azo antoka fa mahalala ny tsara indrindra hoan'ny zanany Izy.Ary efa nanome toky aza Izy fa ''handeha hanamboatra fitoerana ho anareo Aho ary ho avy indray ka haka anareo ho any amiko ka izay itoeraka no itoeranareo koa''. Efa vonona ny toerana nomanin'I Tompo ho anao Radada, efa nanome toky Izy, efa amim-pifaliana lehibe ny niandrasany hihaona aminao.Marary izahay havan-tianao ny ilaozanao, malahelo , maratra ny fo,fa ny mahafaly sy ny finoanay dia mbola hiaona aminao izahay , ny fotoana no tsy fantatra ....fa nahavita ny adidinao betsaka tety hianao ka efa miandry anao ny marim-pankasitrana lehibe izay efa nomanin'i Tompo ho anao, dia ny toerana tsara indrindra eo akaikiny Ray .
tsy ho adinonay ao amponay mandrakizay hianao, sy ny fitiavanao rehetra.Mitamberina ao an-tsaina avokoa ny fotoana rehetra nolalovana niaraka taminao.Betsaka ny fianarana azonay taminao.Manome toky anao izahay fa mbola hiaona isika ary mino izahay fa miandry anay eo ambavahadin'ny lanitra hianao miaraka amin'ireo olo-masina rehetra, fifaliana tsy hisy toy izany, hahita anao sy ny efa lasa rehetra, ary indrindra fa hahita ny hatsaran'ny Tompo sy ny voninahiny.Any hianao no hanohy ny fiderana izay efa niainanao tety....
Izaho manokana dia nahatsapa tao am-poko lalina ny fitiavanao ahy, an'I Amboara kely, ary isaorako anao betsaka izany, tsy mba nahatsiaro tena ho vinanto mihintsy na dia fotoana fohy monja aza  tamin'ny fotoana rehetra nifaneraserako taminareo mivady, feno ny fitiavanareo anay.Vitsy ny raim-pianakaviana manana ny fahendrena sy ny fitiavana nanananao, isaorana ny Tompo fa avy aminy izany! anisan'ny fahatsiarovana lehibe tsy afaka ao am-poko mihintsy ny fitondranao zavatra manokana ho ahy isaky ny avy maka pension, ny fanokananao ny voankazo vokatra (voaloboka, papay...)ho ahy na dia tsy eo aza aho, sarotiny mihintsy hianao miteny amin' ny rehetra fa natokanao ho ahy izany......  maratra ny foko mieritreritra izany ankehitriny, misaotra radada!
Misaotra indrindra Ray ô,ny nanomezanao anay andradada, nahafahanay niara-nifaly taminy, ny fotoana rehetra nanananay azy, ny fampianarana rehetra azonay taminy.Tonga ity ny fotoana voatendrinao hakana azy, isaorana Anao koa izany satria hianao no niantso Azy ary fantatray fa efa eo antratranao izy izao.Efa tsy andrinay koa Jesosy ô ny hihaonanay Aminao,ny hahita ny voninahitrao sy ny seza fiandriananao....Hianao irery no mahalala ny fotoananay tsirairay avy, ataovy vonona izahay amin'ny fotoana hiantsoanao anay.Amen
 Tsara ny Tompo !mendrika hoderaina Izy, tsy takatry ny saintsika ny fahalebiazany.
Radada-Gen--ve.jpg taina-4.gif
Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article