novelariny ao am-poko!
Novelariny ao am-poko ankehitriny,
Ny hazavana izay nitantanany ahy,
Ny fiainako rehetra, feno ny fisiany
ka ny lalako lasa lavitra ahiahy,
Fa nasehony ahy, ny halemem-panahiny
Faharetam-po izay tena lehibe
Izyninia, sahy ho tia ahy,
Izy mpitia mpihaino sy mpandre
Jesosy ô! (2)
Tiako loatra ny fahasoavanao
Jesosy ô! (2)
Tsy misy mihoatra ny fitiavanao
Tsy ho soloako , fa Izy tsara ho ahy
Ny finoako nofenoiny ny Fanahy
Ny fitiavany no antoky ny foko
Izy no hany faneva hijoroako
Raha manana an'i Jesosy aho, manana an'i Ray
Maniry aho ho toy Azy rahatrizay
Ka ny vavaka atao ho fihiram-baovao
Izy anie ho tafaorina ao am-poko ao
Ny hazavana izay nitantanany ahy,
Ny fiainako rehetra, feno ny fisiany
ka ny lalako lasa lavitra ahiahy,
Fa nasehony ahy, ny halemem-panahiny
Faharetam-po izay tena lehibe
Izyninia, sahy ho tia ahy,
Izy mpitia mpihaino sy mpandre
Jesosy ô! (2)
Tiako loatra ny fahasoavanao
Jesosy ô! (2)
Tsy misy mihoatra ny fitiavanao
Tsy ho soloako , fa Izy tsara ho ahy
Ny finoako nofenoiny ny Fanahy
Ny fitiavany no antoky ny foko
Izy no hany faneva hijoroako
Raha manana an'i Jesosy aho, manana an'i Ray
Maniry aho ho toy Azy rahatrizay
Ka ny vavaka atao ho fihiram-baovao
Izy anie ho tafaorina ao am-poko ao
Publicité