Pasteur Rabemanantsoa et famille

Publié le par midera

Jobily


Efa ela dia ela  no nananako faniriana lalina tato anatiko hanatitra fankasitrahana manokana an'izy mivady hitantsika eto amin'ny sary ireto.Ny antony dia betsaka tsy ho voantanisako etoana ny soa azoko, izaho aloha voalohany, manaraka ny fianakavianay rehetra, ny fiangonana loterana tsy ny any madagasikaraihany fa ny aty ivelany koa, ny malagasy maro.Mino aho fa betsaka ho an'izay tena mahalala azy ireo no mizara izao hevitra izao amiko.

Hoan'izay tsy mahalala kosa dia ho lazaiko fohy eto ny mombamomba azy ireo.
Pasitora Rabemantsoa Noel no anarany, ny vadiny kosa dia Rabemanantsoa Andriantsoa Claire.Avy any Fianarantsoa no fiaviany, 5 ny zanany, Ntsoa, Rano, Vato, Mamy, Toky.
Nipetraka fotoana maharitra taty ivelany, Genève Suisse izy ireo ary fototra nanangana ny fiaraha-mivavakin'ny samy malagasy tao voalohany, izay amin'izao fotoana izao dia mijoro sy mandroso tsara eo amin'ny fanaparitahana ny fanjakan'Andriamanitra.
Any Madagasikara indray dia mampianatra ao amin'ny sekoly pastoraly Ivory avaratra Fianarantsoa, mampita sy manohy ny asa fitoriana.
Ramatoa dia zokin'ny mama vavy matoa.

Efa ela hoy aho teo ambony aho no feno fankasitrahana ireto fianakaviana ireto, tsy noho ny mahahavako azy fotsiny fa noho ny zavatra rehetra noentiny sy nomeny ho an'ny mpiara-belona aminy.

Izaho no toy izao aloha, ankoatra ny famindram-pon'Andriamanitra izay efa teo amiko foana hatramin'izay dia sahiko ny milaza tsy ampihambahambana fa anisany voalohany azoko lazaina fa nanana anjara toerana betsaka tamin'ny fiainako izy ireo.Tsy ho voatantarako eto raha hosoratana daholo, fa izay tena nanamarika ahy lehibe no holazaiko.

Mbola kely aho asa na 5 na 6 taona , dia tsaroako ny fanadalana nataondry zareo ahy izay nampitomany ahy foana tamin'izany hoe: '' hianao tsy zanaky dada sy mamanao fa zanakay , izany no maha-RABENARIVO ny anaranao, satria zanakay hianao''.Mitomany foana aho tamin'izany satria noheveriko fa marina tokoa izay voalazany, satria izaho irero no mitondra io anarana io aminay iray tampoho.
Tao anatiko anefa nahatsapa foana aho ny fitiavandry zareo ahy manokana, tsaroako ho nihanta mihintsy tamindry zareo aza aho fony kely, izany hoe azoko lazaina fa tamin'izany dia efa akaikin'ny foko tokoa ry zareo.Matetika aho no maka rivotra any amindry zareo any Antananarivo.Ary mandritra izany dia tadidiko hoe nikarakara ahy be mihintsy io nenintoako io, misy jupe kely misy bretelle mainty izay tena tiako tokoa nozairiny ho ahy, tadidiko foana hatramin'izao izany.Tsaroako koa izy mampandro ahy isankariva.Tsy nahatsiaro ho zanak'olona hafa mihintsy aho tao fa toy ny tao an-trano ihany.

Rehefa lasa taty andafy amin'izay ary ry zareo dia tsaroako hoe isaky ny manana mission na misy anton-dia atao any Madagasikara dadatoa dia tsy maintsy mivimbina zavatra kely ho ahy hatrany.faly ery aho tamin'izany ary tsaroako hoe nialona kely mihintsy ny tao an-trano.

Rehefa nihalehibe aho dia lasa nianatra tany Antananarivo.Hiarahantsika mahalala moa ny fahasarotan'ny fitadiavana trano ao.Nisy namako akaiky ahy izay nanana havana nipetraka teny Ampandrana, dia izy no niteny tamiko hoe andao samy hipetraka teny aminio havany io.Tsara fanahy tokoa ilay fianakaviana satria tena noraisiny tsara mihintsy aho.Ny olana dia tery dia tery tokoa ny tranony satria , efitra iray tokoa no nisy anay rehetra, olon-dehibe 4 izany izahay no tao miaraka amin'ny zaza roa.
Tsy dia nampaninona ahy ilay izy satria namako koa moa ilay olona , no sady mba tia ahy ihany koa, dia toa tsy hitako ilay fihafianay be tao.
Indray andro nandalo izy mivady dia niteny tamiko hoe andao izahay hoento hijery izany misy anao izany.Niahotra ihany  aho tamin'ny voalohany ny hampandroso azy tany nefa izy moa naniry ny hahita koa dia nandalo tany an-trano ihany izahay.
Ankina izy ireo nahita ny toerana nisy ahy,nalahelo, hitako teny amin'ny endriny mihintsy ny alahelony ahy.Teo imason'ilay olona moa ka tsy dia sahy niteny inona izy ireo fa nony nivoaka teo izahay dia hoy izy ireo tamiko: ''tsy misy hevitra fa miala tao hianao, harary ao, io ve no ipetrahanao taty hatramin'izao, mitadiava trano izao dia izao dia miala, fa izahay no hanome hofan-trano.''
Tena tohina ny foko  ary  tsampako tamin'izay hoe niara-nitondra tamiko izay nanavesatra ahy izy ireo, ary tena nahakasika azy ireo lalina tokoa ny momba ahy.Nitomany aho rehefa lasa ry zareo, nanohina ahy mafy ny teny rehetra nolazainy ahy.Tena tsy olon-kafa fa tena ray amandreniko tia ahy....
Iny alina iny dia niara-natory tamindry zareo tany amin'ny hotely aho dia nanomboka nitady trano teny Ankatso, ary noho ny famindram-pon'Andriamanitra dia nomen'i Mr Tombo(neveu ny pasitora), tompon'andraikitra ny fizarana trano teny Ankatso efitra iray teny amin'ny cité aho, izay nahafahako nipetraka nandritra ny fotoana rehetra nianarako tany Antananarivo.
Rehefa tonga taty andafy indray moa dia ny zanany no nanpian-trano ahy, nikarakara ny taratasy rehetra nahafahako nandeha, niantoka ahy tamin'ny fotoana nahatongavako rehetra.
Nandeha  ny fotoana, 9 taona taty aoriana nipetrahako tao Genève, sendra nandalo tany naka rivotra ry zareo, nanana olana betsaka ara-bola izahay tamin'izay fa tsy afaka niasa ny vadiko, tsaroako ary tsy ho adinoko mihintsy izay fihetsiky nenintoa nanisika vola tao an-tanako indray hariva izay....voakasika indray ny foko, izao moa olona malemy fo be izay ka latsaka indray ny ranomasoko.
Tsy ho voatanisako hoy aho raha holazaiko eto daholo, fa ambangovangony ireo, ny fianakaviako maro hafa nandray taminy tsy ho voatanisako eto.

Ny hamaranako azy dia hafatra fohy fa tena avy am-po tokoa hoan'izy mivady sy ny zanany: misaotra eram-po eran-tsaina tamin'ny zavatra rehetra vitanareo, tamin'ny fitiavana lehibe nasehonareo, tamin'ny fianarana rehetra azoko taminareo, tamin'ny vola aman-karena tsy ho voavaliko mandrakizay...

Tena fanasin'ny tany tokoa hianareo ary jiro fanazavana ny manodididna anareo.Mbola hita taratra eny amin'ireo taranakareo izany ankehitriny.
Tsy hahavaly izay vitanareo izahay fa dia Andriamanitra izay efa niantso anareo sy nifidy anareo ary nametraka izany fitiavana betsaka izany tao am-ponareo anie hampitombo arivo heny izay vitanareo rehetra , ary ny fahasoavany izay mihoatra ny fahalalana rehetra ho aminareo mandrakariva, hanome fiadana-po anareo sy fifaliana amin'ny andro rehetra ho avy.

aza ketraka amin'ny fikeFarany indrindra, lezanareo aina eo amin'ny asan'Andriamanitra hiantsorohanareo, na eo anivony fiangonana izany , na ny fianakaviana , na ny namana eny fa na dia mety misy aza ny mpanenjika izay tsy maintsy misy , dia fantatro kosa fa lehibe ny ho valim-pitia miandry anareo any an-danitra.
Izahay dia sahy milaza fa anisan'ny vokatrareo tamin'ny fikelezanareo aina.

Misaotra ny Tompo izahay nomeny anareo, mivavaka ho anareo mandrakariva izahay mivady ary raha azonay natao aza ny mba nanao fihetsika manokana nentina naneho izany fankasitrahanay izany dia nataonay izany.Fa noho ny antony maro dia mbola tsy tanteraka izany izao fa any andro any volana mbola maniry ny hanatanteraka izany izahay.

Izany fisaorana izany dia tsy ho anareo mivady ihany fa hoan'izy 4 mianadahy koa, lava loatra raha ho tanisaina eto fa hatreto aloha no vita androany.

Ato am-ponay mandrakariva hianareo.


Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article