namana mpiara-miazakazaka, misaotra!

Publié le par midera

Tsara dia tsara ilay teny hoe: '' namana mpiara-miazakazaka'',  feno dia feno ary mahalaza tokoa ny tiany ambara .

Naharay mailaka avy amina namana iray aho omaly , ary io no namaranany azy hoe'' mpiara-miazakazaka'',  nanohina ny foko ny nandray izany hafatra avy any aminy izany. Olona tsy fantatro fa sendra nandalo nitsidika teto.

Faly aho ary misaotra ny Tompo be dia be raha mba afaka nataony ho fitaovana hamangiana mpiara-miazakazaka ity takelaka ity. Faly aho satria na dia tena mpanompo tsy mahasoa sy tsy mendrika aza  dia tsy nampaninona Azy ny nandray ahy ho fitaovana eo ampela-tanany , hizara ny fahatsarany amin'ny manodidina ahy.

Ho anao ry namana mpiara-miazakazaka amiko , mahereza mahatanjaha , aza mierikerika intsony,  Jesosy no mialoha ny hazakazaka ataontsika,  Izy no tompon'ny finoantsika,  ny ho tonga eny aminy no tanjontsika , na inona rivotra , na inona tafiotra , na inona sakana alefan'ilay ratsy , tsy hampiverina antsika izany fa maharo antsika amin'ny ady rehetra Ilay Mpiaro antsika.Tonga soa ihany no ataontsika ao an-tsaina!

IPetera 1:13 Koa amin'izany sikino ny sainareo, dia mahonona tena, ka antenao tsara ny fahasoavana izay ho entina ho anareo amin'ny hisehoan'i Jesosy Kristy

Amen!

Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article