Hiaona aminao aho eo am-bavahadin'ny lanitra!

Publié le par midera

Nihira ity hira ity izahay 3 mianaka omaly hariva.Lasa saina be aho nandinika ny tonony , hanahoana tokoa re izany fihaonana any an-danitra izany e? ankoatran'ny fihaonanantsika amin'Ilay nandrandraintsika hatrizay hatrizay, dia hahita ireo olona tiantsika rehetra niara-nanompo sy nanolo-tena ho an'Andriamanitra rehetra, mamy angamba izany fotoana izany!!!! mieritreritra izany fotsiny aho dia efa feno be ny foko, tsy andriko ny hahatongavany, tsy hisy intsony ny alahelo, fiderana no hameno ny fo sy ny fanahy, hiaona amin'ireo olo-masina rehetra efa lasa, hahita ireo anjely, hahita ny  havan-tiana maro efa lasa nialoha, ny zandriko lahy tena akaikin'ny foko tokoa ao anatin'izany ,fa indrindra fa hahita ilay Mpanjaka ny Mpanjaka!

Raha hianao no tonga alohako, dia tsenao eo am-bavahady aho, fa ho faly tanteraka aho hahita anao.Raha izaho kosa no tonga aloha dia hiazakazaka aho hitsena sy hamihina anao.

Hiaona aminao aho, amin'ilay maraina
koa mivonona  hianao, ndrao tsy ho tonga ao.
 
Mbola hiaona, aminao aho
Eo ambavahadin'ny lanitra
Mbola hiaona , aminao aho rehefa tonga ny maraina vaovao
 prier.jpg
Raha hianao no tonga aloha
Aoka hianao, hitsena ahy
Eo amin'ny vavahady no ahitako anao
 
Aoka hirehitra hatrany
Ny fanilo tananao
Fa ny mpampakatra any
Efa miandry anao
 
Miandry antsika any
Ireo olo-masina
Fivoriam-be izany
Feno hasambarana
 
Dia tongava soa daholo e!!!

Publié dans louanges et adorations

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article