Araraoty dieny mbola tsapanao fa mamangy anao ny Tompo!

Publié le par midera

Faly be izaho omaly alarobia raha namonjy fotoam-bavaka tany am-piangonana, nahatsapa famangiana lehibe sy manokana avy amin'Ilay Raiko.Mety betsaka tamin'ny nanatrika no nandray manokana ho azy koa, fa ny ahy aloha dia tena fahatsapana hafa noho izay mety efa niainako taloha indray ny hitako omaly.Ny tena marina dia rehefa mitady marina sy maniry ny hovangian'i Tompo hianao dia tonga tokoa Izy amin'ny fomba tsy takatry ny sainao manamarina ny teniny fa tsy anganongano akory ny fitiavany sy ny fisiany fa Andriamanitra velona sy mahita ny ati-lalin'ny fonao rehetra Izy, na dia tsy miloaka akory aza ny vavanao fa any am-ponao any no mitempo maniry ny hiaona sy hahita Azy, dia tonga Izy ary hasehony marina tokoa aminao fa afaka miteny mivantana aminao Izy , hanehoany aminao fa tsy tsinontsinona akory hianao eo anatrehany, fa zanaka sarobidy aminy, tiany sy ankafiziny koa ny fotoana atokanao hiaonana aminy.
Mbola teny an-dalana ny ho any am-piangonana aho dia efa nivavaka tao an-tsaiko, mba handray fampianarana tena ho ahy, mba tsy ho fotoana very maina na fahazarana fotsiny ny ankanesako any, nivavaka aho mba hisy fanatrehan'i Tompo tanteraka.
Variana aho tonga tany fa toa natao ahy ilay fotoana, ohatran'ny hoe izahay sy Jesosy irery no teo.Teny hafa no nomanin'ilay pasitora ho entina fa nandritra ny hira fiderana dia niteny taminy ny Fanahy , hafatra vaovao,izay tena tsy misy ifandraisana mihintsy amin'ny nomaniny.Na izaho aza hoy izy tsy mahalala hoe inona ny antony hilazako izao aminareo fa dia ampitaiko satria hafatry ny Tompo, fohy , 5 mn angamba ilay hafatra fa tena hoe mivantana , tsy niolakolaka , nanome ny hafany ho ahy ny Tompo, ny fanapahan-kevitra ilainy ho raisiko, efa ela no nisy fanontaniana nipetraka tao an-tsaiko nilako valiny. Fa omaly dia naharihariny tamiko,  ny tiany hataoko ary raha manaiky izany aho hoy Izy dia miaraka amiko amin'izay lalana izay Izy fa tsy izaho irery akory no handeha sy hanao izany fa Izy no maniraka , ny anjarako dia ny manaiky fotsiny fa Izy no hanantontosa ny ambiny.
Nanantona ahy ilay pasitera nandray ahy , ary niteny hoe hivavaka ho anareo 3 mianaka aho hiy izy, nametra-tanana taminay 3 mianaka izy ary nivavaka ho anay.feno ny foko fa tena henoko mafy mihintsy tamin'ny vavaka nataony fa tsy Izy no miteny fa ny Raiko,  manome toky sy mampahery ahy ary indrindra manome ahy ny antsimpirian'ny lalana tokony horaisiko.
Faly be aho satria tsapako mihintsy hoe miteny amiko ny Tompo.Tsy fantatro ny mety ho hasarotan'izany lalana angatahin'ny Tompo hataoko izany, fa ny zavatra azoko antoka dia hijoro eo anilako Izy, hialoha lalana ahy, hametraka ny teny eo ambavako, hanamarina amiko ny teniny.
Mino aho Jesosy, manaiky izay fitondranao , ary handeha araka ny nanirahanao ahy, raha ny mahaolombelona ahy dia fantatro ny fahalemeko sy ny heriko, nefa mahefa ny zavatra rehetra aho miaraka aminao ilay mahefa ny zavatra rehetra.
Ny tiako ampitaina aminao raha sendra mamaky ity hianao, dia manana ny faniriany ho antsika tsirairay ny Tompo ny aminy asany , na dia mbola tsy nohariana akory aza isika.Nohariany isika mba ho fitaovana tsara eo ampelatanany.Ny hany angatahiny amintsika dia ny fontsika manaiky  ny ho amboariny, ny fontsika manaiky ny tanjona nokendreny hoantsika izay azo antoka fa tsara lavitra noho izay eritreretintsika ho tsara.Hevitra mitondra fiadanana fa tsy loza.
Raha efa mahare ny antso hianao nefa mbola mandà sy miodina foana, na mbola te handeha amin'ny herinao, mampahatsiahy anao ny Tompo fa tsy hahita fitsaharana any amin'ny lalanao heverinao ho marina hianao, ao aminy ihany no misy ny lalana mankany amin'ny fiainana, no ahitanao fifaliana maharitra mandrakizay.
Aza odiana tsy re ny antso izay ataony aminao sao hanenenanao any aoriana! mbola fotoana mety izao, maneke ny antsom-pitiavana ampitainy aminao dia ho hanam-pitsaharana hianao!
Ny Fanahy Masina anie hiasa feno ao am-ponao!

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article