malahelo aho rehefa malahelo hianao...

Publié le par midera

Naheno vaovao nampalahelo ahy avy amin'ny ankizy namako iray aho io maraina io, mandalo lalan-tsarotra ny fiainany, fenofeno ny foko izany , tsy misy olona anefa ato an-trano, i Hosana mbola kely tsy hita hiresahana....efa nivavaka aho, fa mba tsy hitenenako irery dia naleoko nanoratra , ka raha sendra mitsidika eto hianao dia hianao izany no hizarako azy.Misaotra anao maharitra mamaky sy manaiky mandray ny ventsoventsom-poko.

Malahelo mafy aho fa mandalo lalan-tsarotra  ilay namako, tsy manana vahaolana ho azy anefa aho, na dia te hanampy azy mafy mihintsy aza, satria tsy vahaolana vitan'olombelona no ilainy,  noho izany dia mitodi-doha eo amin'i Jesosy aho mba hijery azy manokana, mba hamindra fo aminy , hiantra azy, hamela izay mety ho fahadisoany, ary indrindra hanampy sy hamaha ny olana rehetra eo amin'ny fiainany.

Miangavy anao aho raha mba afaka manome ahy 1 minitra fotsiny hianao , mba hanandratra vavaka ho azy miaraka amiko , aza atao ho zavatra madinika izany , fa ilaiko be mihintsy ho azy sy ho ahy!

Misaotra indrindra anao!

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article