Raha misy olona ao amin'i kristy dia olom-baovao izy
Nanana vondrom-bavaka niarahana tamin'ny tokan-trano malagasy vitsivitsy tany Québec izahay ny asabotsy 01 sept teo.Tao anatin'ny firahalahiana tanteraka no nanaovana an'izany.Hita namirapiratra ny voninahitr'Andriamanitra.Tsapa tokoa ny fanatrehany feno ny fotoana.Faly izahay fa nifankahalala tamin'ny malagasy maro hafa izay mbola tsy hitanay taloha.Nahafinaritra ny fotoam-bavaka, ny fiarahana midera.Na dia tsy nitovy daholo aza ny fiangonan'ny tsirairay dia tsy nampisy olana teo amin'ny fiarahana mivavaka izany, ny zava-dehibe sy nameno ny fon'ny tsirairay dia ny hahita ny Tompo, hanambara ny halebiazany, ary hiara-hanandratra sy hidera Azy.Izany tokoa angamba no atao hoe fiangonan'ny lanitra: tsy misy anaram-piangonana, tsy misy fanavahana fihaviana, fa IRAY ao amin'ny Tompo.
Ny tena zavatra nanamarika ahy indrindra koa dia ny fihavahan'izany olona atao hoe manana an'i Jesosy tanteraka eo amin'ny fiainany izany.Tena hita miharihary fa hafa mihoatra amin'ny olona rehetra ny fomba fiainany, ny firesany feno fitiavana, ny fihetsika ataony mitory sy manambara avokoa ny hatsarany Tompony.Tena nitsiriritra aho nahita ity ankohonana iray anjakan'i Jesosy tanteraka ity, tsy mila miteny na inona na inona akory izy dia efa fijoroana vavolombelona lehibe ny fiainany.Nisontonako fianarana lehibe ny fotoana fohy niarahako taminy.Mba te hanana izany fitiavana tsy misy fihatsaram-belatsihy toy izany aho, madio tsy misy pentina , tsy miavonavona, tsy mila tambiny na miandry valiny,tia fotsiny amin'izao, toy ny fitiavan'i Jesosy Tompo.
''Raha misy olona ao amin'i kristy dia olom-baovao izy, efa lasa ny zavatra taloha, indreo fa tonga vaovao ireo!''
Inoako fa maro ny olona no maniry mba hanana izany fitiavana tsara indrindra izany, maimaim-poana izany ao amin'i Jesosy, katsaho amin'ny fonao manontolo dia homeny anao araka izay irin'ny fonao! mba ho voninahitr'Andriamanitra toy izany ankohonana izany koa ny fiainanao.... Amen

Publicité