Vavaka
Jesosiko, mpanjakako, raiko, rehefa mandinika sy mijery ny ati-lavaka mangitsokitsoka nisy ahy teo aloha aho, mandinika ny fotoana lava nolaniako tany amin'izao tontolo izao, nampahalelovako anao, nitondranao ny mangidy indrindra ,nandosirako ny tavanao, dia torotoro ny fanahiko , raha tsy namindra fo sy niala nenina nitady ahy hianao dia efa very ny fanahiko....asa izay toerana nisy ahy amin'izao.
Na ny teny tsara lahatra indrindra ny mpahay manoratra aza tsy mendrika ny hanambarako ny vidin'ny fahotako naloanao teo amin'ny hazo fijaliana.Na ny androko rehetra sisa aza entiko hanompoana sy hamaliana soa anao , mbola tsy misy dikany mihoatra ny fijaliana nentinao mba hamonjena ahy, mba hanesorana ny fahotako rehetra.
Izao voavonjy aho noho ny fitiavanao, voavidy tamin'ny ranao masina aho, nentinao ny manavesatra ahy rehetra, nomenao ahy ny fifaliana sy fiadanana mandrakizay ho lovako.
Tsara hianao Jesosy, ary raha mbola velona koa aho dia hanambara ny hatsaranao sy ny fahalebiazan'ny fitiavanao, amin'ireo izay mbola tsy nanandrana izany .Izaho izay efa nihinana sy nandray izany kosa dia mahatsapa fa tsy misy nahafeno ny banga rehetra tato anatiko afatsy Hianao Mpamonjiko , ary ny eo akaikinao no fifaliako lehibe indrindra, ny mihira sy mankalaza Anao no fiadanako ,ny mamisavisa ny asa nataonao no mampijoro ahy sy tanjaka ary rano velona ho ahy.
Tehirizo amin'ny fitiavanao aho Raiko, fonosy ny fanahinao mandrakariva, aoka ho mandako hiaro ahy amin'ny fahalavoana sy ny faharatsiana rehetra hianao.Ny hanao izay mahafaly Anao no antom-pivelomako.
Amen
Tahina Zanakao tena tia anao

Publicité