Didy vaovao no omeko anareo....
Anisan'ny fepetra lehibe voalohany angatahin'ny Tompo amintsika zanany ny fifankatiavana.Sarotra anefa ilay izy satria ao anatin'ny natioran'ny olombelona koa ny fitiavan-tena , ny hambo, ny tsy manaiky ho ambany , ny tsy te ho diso, ny lolom-po koa indraindray, ny fitsiriritana ny hafa, ny fialonana , ankoatra ny maro hafa izay tsy ho voatanisako eto.Sarotra hoy aho ilay tena miaina tanteraka amin'izay fitiavana feno izay.Jesosy no modely arahintsika, ny ho tonga toa Azy moa mety sarotra ihany, fa farafaharatsiny mba manaraka ny diany sy ny sori-dalana rehetra nomeny.
Faritiko kely eto izany fitiavana angatahina amintsika izany : I Kort 13 :3 ''na dia omeko hohanin'ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.''
4 Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
5 tsy manao izay tsy mahamendrika, tsy mitady ny azy, tsy mora sosotra, tsy manao otripo,
6 tsy mifaly amin'ny tsi-fahamarinana, fa miara-mifaly amin'ny fahamarinana kosa,
7 mandefitra ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, maharitra ny zavatra rehetra.
8 Ny fitiavana tsy ho levona mandrakizay; fa raha ny faminaniana, dia ho levona; na ny fiteny tsy fantatra, dia hitsahatra; na ny fahalalana, dia ho foana.
Rehefa mamaky ity andalan_tsoratra masina ity aho dia tena mahatsiaro mihintsy fa mbola tena lavitra ny lalan-kombako vao ho tonga na dia amin'ny ampahany ihany amin'ireo voalaza ireo aza. Soa fa be famindram-po ny Tompo ka maharitra miandry ahy ao anatin'ny tsy fahatanterahako, ny zavatra fantatro sy inoako fotsiny dia efa hitany sahady izany faniriako ho toa azy izany, ka na dia mbola toa sarotra sy feno mikintoana aza ny fiainako , mbola lavitra ny faniriany ho ahy, dia inoako fa efa manampy ahy Izy sy ny Fanahiny hahatongavako amin'izay tanjona izay.
Raha tanteraka amin'ny zanak'Andriamanitra rehetra ny tena fitiavana feno avy amin'i Jesosy , dia inoako fa tsy hisy intsony ny fisarahana sy ny fifanenjehana ao am-piangonana, na any amin'ny toerana fiasana; hihena ny tanora mivary lavo any amin'ny fiainana maloto, sy any amin'ny famonoan-tena satria hanana olona tia sy vonona ny handray azy amin'ny toerana izay misy azy izy; hihena ny olona mahatsiaro ho irery sy tsy manan-kavana satria ny kristianina dia hanome ny fotoana ananany ho an'ny manodidina azy: ho vitsy amin'ny be antitra no hamarana ny androny ao anatin'ny alahelo sy ny mahairery , ho zary maivana ny hazo fijaliana rehetra entin'ny tsirairay satria hiaraha-mitondra izany... izany no hampiavaka antsika amin'ny olona tsy manana ny Tompo.
Hamaranako azy dia, izay rehetra ataonao dia aza ilana sitraka amin'ny olona fa ataovy toy ny hoan'ny Tompo,raha mbola misy azonao atao koa hoan'ny manodidina anao na iza io na iza, eny fa na dia ny fahavalonao aza dia ataovy(vola, talenta, fotoana, hery....) fa maro ny fanahy mila ny fanampianao sy ny fitiavanao, na dia fanahy iray ihany aza no ho faly noho hianao dia efa zava-dehibe izay!
Tsarovy fa solon-tenan'i Jesosy ety ambonin'ny tany isika hanohy ny asa efa natombony!
Misaotra anao naharitra namaky, ho amintsika rehetra anie fiadanan'i Jesosy Kristy Tompontsika!