Joyeux noel et bonne année!

Publié le par midera

amboara-2-ans-024.jpgpere-noel.gif

Amin'izao ankatoky ny noely sy ny faran'ny taona izao dia amim-pitiavana be dia be no irariako ho antsika rehetra fety sambatra .Maniry aho raha maniry mba samy hahazo ny anjara fifaliany avy ny tsirairay , Jesosy izay ankalazaintsika aminio andro io anie hameno ny banga rehetra eo amin'ny fiainantsika, na vola izany na fahasalamana, na havana ,na namana, na olon-tiana, na izay hafa rehetra mety tsy ananantsika mba ahafahantsika mamakivaky izany fety izany amim-pifaliana tanteraka.
Tsarovy mandrakariva fa nateraka ho antsika Jesosy , nafoiny ny fiadrianany tsara sy tapi-trohatra mba hamonjeny sy hanavotany antsika.Ontsa ny toerana sy ny faharatsiana nisy antsika ny Tompo Andriamanitra ka izay tsara indrindra nananany dia ny zanany lahy tokana no nafoiny antsitra-po mba ahafahantsika mandray ny famonjena, ny fifaliana, ny fiadanam-po, ny rehetra izay ilaintsika.Maimaim-poana ny nanaovany izany.

Fo manahoana no entintsika hisaorana sy ankasitrahana Azy amin'izao fahatsiarovana ny nahaterahany izao? handeha isika hiara-hitsaoka Azy amin'izay tsara indrindra ananantsika, fa mendrika izany Izy.

Masina , masina, Tompo Andriamanitra, henika ny famindram-ponao ny tany, mankalaza anao izahay ary raiso ny haja sy ny saotra ambony indrindra atolotray ho Anao!!!
Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
T
Mirary krismasy sambatra sy taom-baovao finaritra. Misaotra tamin'ny teny fankaherezana sy ny tsy fanadinoana.
Répondre