Faran'ny taona 2007

Publié le par midera

Mifarana tokoa ity ny taona , fotoana anisan'ny mavesatra sy mafonja indrindra amiko.Mitamberina ao an-tsaina daholo ny zava-nitranga rehetra nolalovina nandritra ny taona, na ny mangidy izany na ny mamy.Misy banga lehibe ao am-poko ao, manina sy te ho eo akaikin'ireo havan-tiana rehetra....ity koa angamba no faran'ny taona nolalovako voalohany tena hoe tsy nanana na iza na iza  afatsy ny ankohonako ato an-trano.... Soa aza fa nomen'i Jesosy ireo, fa raha izany angamba no tsy teo koa ry zareo dia tsy haiko izay nahazo ahy!
Mahatsiaro manokana ireo olona maro tsy manan-kavana sy miaina irery aho amin'izao fotoana izao, izao vao tena tsampako ny hamafin'ny zioga entin'izy ireny, hahatsiaro am-bavaka manokana anareo aho mba hanafian'i tompo hery anareo, sy hamenoany ny banga rehetra eo amin'ny fiainanareo, na dia tsy hitanareo mivantana eo aza ny Tompo dia fantaro fa tsy mamela anareo irery Izy.
Miteny izany aho mampahery anareo fa sady mampahery ny tenako koa, hoe na dia toa mahatsiaro tena ho irery be aza aho amin'izao fotoana izao, dia inoako fa eo akaikiko hianao Jesosy!
Raha sendra mandalo mitsidika eto hianao dia miangavy anao aho mba hanonona vavaka kely ho ahy fa somary kivikivy sy malahelo aho.Misaotra mialoha anao!
Noheveriko ho tsy dia haninona fa efa namboariko hatramin'ny ela ny saiko hoe tsy maintsy mizatra an'izao toerana misy anay izao, fa asa koa izay tena nampiverina ny fahatsiarovako rehetra nanomboka ny omaly 30 ka hatramin'izao...
Manina an'ny dada, mama, ny zokiko sy zandriko, ny havana rehetra any Suisse, any Paris, any Madagasikara, sy namana akaiky ahy rehetra....mon-ange.JPG
Soa fa eo hianao zanako manazava sy mitsiky foana ho ahy mandritra ny andro! fanomezana lehibe ho ahy avy aminy Tompo hianao
Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article