Inona no havaliko an'i Jehovah noho ny soa rehetra nataony tamiko

Publié le par midera

Faly indray androany afaka nanao veloma tanteraka iny taona 2007 iny sy ny zavatra nifanesisesy rehetra noentiny.Faly ahy satria namaly vavaka sy nampitraka ahy ny Raiko.Nanome fanantenana velona sy nampahatsiaro ahy fa momba ahy mandrakariva Izy ambaram-pisehony eny amin'ny rahon'ny lanitra hitsena ahy.
Faly aho satria tsapako fa na dia toa nanalavitra azy , tsy nahavavaka sy tsy afaka nidera Azy aza aho nandritra iny fotoanan'ny fety iny dia tsy mba nandatsa ahy Izy fa teo foana tsy nandao sy niandry ahy, ary mbola mamindra fo amiko foana satria zanaka tiany aho.
Raha hanomboka ity taona vaovao ity aho dia maniry koa aho raha maniry ny mba hanao izay mahafaly bebe kokoa Azy Raiko sy Mpamonjiko, izay tia ahy tokoa.Mba te hamaly fitia Azy amin'izay kely azoko atao.Maniry aho ny hanam-pitiavana bebe kokoa, ny hanana fahalemem-panahy toa Azy, ny hanana fanetren-tena mba izy hatrany no hisandratra fa izaho kosa hietry, ny mba ho fitaovana tsara eo ampela-tanany hitia sy hanampy ireo mpiara-belona amiko..... ny mba ho reny modely hoan'ny zanako, ho vady mendrika sy hanana hosotra manokana avy amin'ny Fanahy masina hitondrana ny tokan-trano, ho zoky sy zandry mahay maneho fitiavana sy ho fitahiana hoan'ireo iray tampoho rehetra,   ho namana be fitiavana sy ho fantsom-pitahiana ho an'ny hafa, ho fitaovana tsara eo ampela-tanan'ny Tompo amin'ny asa tsara rehetra ....
Misaotra anao aho Raiko , fa tena tsy takatry ny saiko ny fitiavanao , tsy takatry ny saiko ny faharetanao sy ny famindram-ponao miaraka amin'ny faharatsiako sy ny tsy fahamendrehako rehetra.
undefined
Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article