ny fahasoavana , tsara loatra!

Publié le par midera

Variana sy talanjona hatrany aho mahita sy mandinika ny fahasoavan'io Andriamanitro io eo amin'ny fiainako, ao amin'ny fiainan'ny manodidina ahy , eo amin'ny zava-boahary rehetra jereko , lehibe loatra tsy hay lazaina fa ny amehezako azy angamba dia ny hoe izay no maha Andriamanitra Azy.

Raha tsy hiresaka afatsy ny hitako eo amin'ny fiainan'i Amboara zanako aho.Mety ny ray aman-dreny rehetra angamba samy afaka hilaza sy samy afaka hijoro ho vavolombelona daholo ny zava-mahagaga hitany eo amin'ny fitomboan'ireny zaza ireny.Misy seho sy fanontaniana maro tsy voavaly hoe avy aiza ary no nahaizany izany, taiza ary no nandrantoany izany, mitovy amin'iza ary ity zanako ity, angamba tany amin'ny dadabeny tany, angamba nolovainy tamindranona sy ranona.....

Ny zaza sy ny olona tsirairay dia nataon'Andriamanitra ho tokana sy hiavaka, hanana ny hampiavaka azy , satria tokana sy sarobidy eo imasony. Namboariny ho tsara voatra, ho tanteraka, ho lavorary.
Tsy laviko hoe mety faritra kely amin'ny endriny , amin'ny toetrany hitovizany amin'ny ray aman-dreniny na amin'ny fianakaviany akaiky fa ny betsaka dia azy manokana, fahasoavana natokana ho azy manokana.

Raha hiresaka momba an'i Amboara hoy aho eto dia tsy fitiavana hoe te handoka azy , sanatria dia sanatria, fa mba hilazako ny hatsarany Tompo eo amin'ny fiainany.
Mba nametraka fanontaniana betsaka koa izahay mivady matetika hoe iza ary no notahafin'ity zaza ity, angamba ny dadatoany satria tia mozika sy mihira izy , angamba ny dadabeny satria manan-talenta maro koa izy , angamba ny dadany, angamba i ranona na i ranona, tsy laviko ary inoako fa nisy noraisiny betsaka tamin'ireo nipoirany.Fa ny azoko antoka kosa dia tsy avy amiko mihintsy fa na dia ny ampahany faran'ny kely indrindra amin'ireo zavatra tsara ananany aza tsy ananako, izany hoe tsy izaho mihintsy no nampianatra azy mba hahay na hanana  izao fahalalana izao, fa eo ilay lazaiko fa Andriamanitra nanao azy ho tsara sy nanome azy fahafahana maro mba ho voninahiny irery ihany.Aleloia! Io ilay fahasoavana harena lalina!!!!

Tsara Andriamanitra ary izay nohariany rehetra dia nataony ho tsara sy lavorary.

Raha hiresaka an'i Amboara fotsiny hoy aho teo aloha, dia variana aho, ary tsy izaho irery fa ny maro hafa mahita sy mifanerasera aminy ny fankasitrahana ananany sahady momba an'io Jesosy io, na dia mbola kely aza izy, na dia mety mbola betsaka aza ny zavatra tsy azony, dia ny fiainany rehetra manomboka maraina ka mandrak'hatory dia entiny hiderana sy isaorana an'Andriamanitra.
matetika aho no mahatsiaro menatra mihintsy hoe : '' i amboara aza kely io , mahay misaotra, mahay mankasitraka an'i Jesosy amin'ny zavatra mao isankarazany , dia izaho reniny indray izay tokony hampianatra azy ny amin'izany indray no tsy ampy fankasitrahana....''
Mampahatsiaro anay matetika izy hoe : '' hivavaka isika ...'' ny tena mahavariana dia ny fanononany mihintsy anaran'olona manokana matetika hoentina am-bavaka, olona tsy ampoizinao velively , ary matetika aza olona mbola tsy nifanerasera mihintsy taminy fa mety henony fotsiny indraindray ny anarany, resahin'ny olona, dia tsaroany rehefa mivavaka Izy :'' tahio ranona Jesosy...'', na hoe anadao isika hihira hoan-dranona... mifampijery foana izahay hoe inona indray ary no dikan'izany, raha tsy atao ilay fangatahany iny eo dia tena malahelo mafy mihintsy izy, fa rehefa atao kosa dia amin'ny fony manontolo mihintsy no hivavahany sy hihirany, mikipi mafy ny masony, miondrika izy , ny tanany matetika asandrany ambony....
Tonga saina mihintsy hianao hoe :', ity zaza ity aza...''
Misaotra ny Tompo mihintsy izahay manana azy mampahatsiaro ny tokony ataonay rehefa mitady ho varimbariana amin'izao fiainana izao.

Misy ohatra iray somary mampihomehy ity, misy pasitera iray izay ao ampiangonanay, mainty hoditra izy io, dia matetika izahay no niresaka momba azy satria somary henjakenjana izy mikasika ny zaza ,izany hoe hentitra be izy raha miaraka amin'ny zaza hianao ka tsy voatandrinao tsara tsy hiresaka sy tsy hikofoka ilay zaza, dia avy izy miteny sy manao fanamarihana kely.Hany ka matetika no somary nisy fanafintohinana kely ho anay ny fifandraisana taminy.
Indray andro nivavaka mialohan'ny sakafo amboara, dia hoy izy hoe:'' tahio Jesosy ô , i pasteur noir....'', nihiratra ny masonay, satria izahay tsy mbola nanonona ayz mihintsy tamin'izany anarana izany , fa rehefa miresaka azy anay dia amin'ny anarany foana... taitra be izahay , ary dia samy nanondrika ny lohany nifona sy nivavaka hoazy....
Tao aorian'io rehefa nolazaina azy ny tena anarany dia tsy adinony intsony amin'ny vavaka rehetra ataony ilay pasitera.... ampiasain'i Tompo izy hanitsy sy hiteny anay rehefa misy tsy mety ataonay.

Ohatra hafa koa ity, anisany boky mahavariana sy raisiny matetika indrindra koa dia ny baiboly.Indray andro manonofy izy amin'ny alina, mitomany mafy, mikiakiaka hoe:'' aiza ny baiboliko ...'' , ny andro moa alina dia izay noezahina nampanginina fotsiny izy, tsy nety nangina mihintsy anefa izy, fa vao maika nitomany, dia farany lasa ny dadany naka boky iray nomena azy, nanda mafy izy hoe '' non , baiboly hoa '', dia lasa naka baiboly, mbola tsy nanaiky ihany izy raha tsy ny baiboliny mihintsy no tonga teo, vao nangina izy , nentiny natory dia niverina natory izy.

Tsy ho vita mihintsy ity raha hitantara azy eto foana aho, fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe, hatrany ambohoka tokoa isika dia efa nantsoiny Tompo ho Azy, ny fiainantsika dia niriany mba hiderantsika Azy, ny fahasalamana , fahendrena , fahalalana, sy ny maro hafa ananan'ireny zanantsika ireny dia tsy avy amintsika mihintsy fa ny Tompo no nanome izany azy mba hisandratan'ny voninahiny....

Misaotra Jesosy ny amin'ny fahasoavana rehetra atobakao....Amen







Publicité

Publié dans temoignages

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article
F
e, faly be za namaky ny site nao, midera! sambatra enao manana an' Andriamanitra , manana fiadanampo! n- imprimeko mitsy izy ty ef elaela zay ,f kely lotra ny soratr de omaly alina aho, niezaka namaky azy , de nikarok oe, taiz moa no nahitako ity blog ty,tiako hovakiana fona !<br /> kanjo sendra mijery @ google aho de hitako ndray, ef nataoko@ favoris ko izy zao ka!, mb valio aho ref azonao ny mail- ko ty f mb te honamano ao @ tompo aho!enga anie k homaro be ny article hosoratanao eto!
Répondre
M
ndriii, misaotra indrindra aminy message nao, faly be mifandray aminao
H
misaotra amin'ny teny fampaherezana Midera an !<br /> Ary aiza no tsy hita intsony o !<br /> antenaiko fa salama tsara sy mizotra tsara ny zavatra rehetra<br /> mirary soa ary mahatsiaro am-bavaka foana e
Répondre