Hosana ho any amin'ny Avo indrindra
Misaora an'i Jehovah ry fanahiko , ary aza misy adinoina ny fitahiany rehetra, izay mamela ny helokao rehetra, izay manasitrana ny aretinao rehetra.....
Elaela indray izay aho tsy afaka nandalo teto.Ny antony dia somary fenofeno ny fotoanako hatramin'ny nahaterahan'ny zanako faharoa.
Faly aho mizara aminareo rehetra ny nahaterahan'ny zanako Hosana Fitahina, teraka tamin'ny 13 Mai tamin'ny 10h55 alina, tao amin'ny hopital Juif ny Montréal.
Feno fifaliana ny fo, feno fankasitrahana ilay Nahary azy, harem-pahasoavana lehibe tsy azo eritreretina.
Misaotra antsika namana sy havana rehetra izay nitondra am-bavaka fa dia tena nanamarina ny teniny ny Tompo , naneho ny voninahiny ,ka dia tonga soa eto amintsika i Hosana kely.
Raha miaraka faly amiko hianao mamaky dia miangavy anao aho hiara-hiteny amiko amim-pitsikiana hoe: Tsara ny Tompo! Aleloia
Publicité