Vacances

Publié le par midera

Faly kely indray izahay mianakavy kely fa tonga mitsidika mamangy anay eto ny zoky avy any Genève.Ny renibe roa moa mbola eto koa ka dia feno ny fifaliana, maresaka ny trano ary mba afaka kely ny hanin-kavana.Izany rrehetra izany mampite hisaotra sy hidera Ilay nahary lehibe mbola mampihaona amim-pifaliana toy izao, nandamina ny fotoana rehetra.iza moa no nikasa hoe aty Canada indray no hihaonana? fa izay ilay hoe '' ny fihevitry ny olona tsy mba fihevitr'Andriamanitra'', manana ny heviny izay efa maty paika sy tsara voatra hoan'ny olony ny Tompo.
Nandeha tany Québec izahay, nitsidika ireo zava-boahary maro mirenty manodidina azy.Ary izao indray dia mikasa ny hitodi-doha any Toronto hijery an'ny Niagara.
Misaotra Tompo amin'ny fandaharanao rehetra.

Publicité

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article