départ mama

Publié le par midera

lasa sahady mama, tapitra sahady ny 3 volana.Mangina aho ary mangina mihoatra izany koa i Hosana kely fa izy no niaraka taminy 24h/24h teo nandritra ny 3 volana.Toa ahitako azy daholo ny efitra rehetra.Soa aza fa mbola tsy niaraka nandeha daholo ny vahiny fa raha tsy izany angamba haolo mihintsy ny trano.
Misaotra ny Tompo betsaka aho nomeny izay 3 volana izay, raha tsy teo mama asa izay nataoko, tsy nisy zavatra vitako mihintsy....tena izany no atao hoe nihanta tanteraka ...
Misaotra mama tamin'ny nataonao rehetra, misy ny dian-tananao daholo ny zavatra rehetra ato an-trano, ary ahatsiarovako anao daholo.Reny miavaka amin'ny reny rehetra hianao, ary sambatra izahay manana anao.Tsy ho voatanisako eto raha tantaraiko fa dia ny Tompo anie hanenika fahasoavana ny fiaiananao.
Mbola betsaka koa ny adidy miandry anao any Madagasikara ka tsy aho azoko atao ny dia hoe mbola hiangavy anao hijanona, efa betsaka izay fa dia misaotra no azoko ambara.
dia ho lava andro iainana anie hianao ary ho feno ny fahatsaran'Andriamanitra ny fiainanao manontolo.Tahina

Publicité
Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article