Hafatra mamy avy any amin'i mama androany

Publié le par midera

Misy fehezan-teny nomen'i mama ahy androany maraina ity , mamy be sady mifono hevitra lehibe no mafonja , ka mba tiako ho zaraina aminareo mamangy ahy:

'' Notahian'Andriamanitra ry Lanja mivady dia midera ka manandratra ny hosana , hosana hoan'Ilay avo indrindra, ary dia novalian'Andriamanitra tamin'ny amboara sarobidy: izy mianadahy ''

Marina dia marina izany , tanteraka ny fitiavany ahy sy ny ankohonako , ampy ahy ny fahasoavany , ny fahasambarana ananako nomen'i Tompoko ahy maimaim-poana tsy voavidim-bola aman-karena! 

Maniry izany koa va hianao? hoy Izy aminao : '' Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana ''

manjombona va ny andronao? tsy manam-pifaliana va hianao?  mahatsiaro irery va hianao ? tsy misy olona mahita ny fahorianao va? mbola eo amin'ny seza fiandrianany ilay Tomponao , ny olona mety mandao fa izy tsy handao anao mihintsy na inona toerana misy anao na inona , antsoy Izy fa izay fotsiny no andrasany aminao.

Amim-pitiavana be!

Publié dans message du jour

Pour être informé des derniers articles, inscrivez vous :
Commenter cet article